Raha misy soso-kevitra tianao atao dia afaka manoratra hianao @
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
na
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
ALAHADY 29 JANOARY 2011
FANOKAFANA NY FANKALAZANA NY FAHA-55 TAONAN'
NY SAMPANA TANORA KRISTIANA
"Mitsangana, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao" Lioka 17:19
Ny fotoana androany dia niavaka tamin'ny fanokafana ny taom-pankalazana an'Andriamanitra noho ny faha-55 taonan'ny Sampana Tanora Kristiana Zandriny sy Zokiny. Ny alahady androany koa dia natokan'ny FJKM ho alahadin'ny marary hoditra. Ny Mpitandrina miana-draharaha Rakotozanany Norosoa Miantra no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary ny Diakona ao amin'ny Vaomieran'ny Vola Rakotondramboa Lala sy Ranaivo Rahamefy Jacky no nanao ny vavaka sy namaky ny Tenin'ny Soratra Masina. Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitory ny Tenin'Andriamanitra. Azonao henona ato izany toriteny izany. Ny mpitendrin'ny Sampana Tanora Kristana kosa no nitendry ny zavamaneno notarihin-dRanaivoson Jacky, mpitendry orga.
Ny Salamo faha-147:1-5 no niarahana namaky teo am-panombohana ny fotoana ho fiderana an'Andriamanitra. Raha nanao ny vavaka fihaiken-keloka ny Mpitandrina Rakotozanany dia hoy izy hoe: Inona tokoa moa no tsy miarihary Aminao ry Tompo. Hitanao hatrany ny fahotana, afaka mizaha ny toetry ny tsirairay Ianao. Nefa tsy misy mendrika izahay, fatra-panome tsiny Anao . Koa mifona izahay, diovy ary hazavao ny toetray.
Harentsoa Louisa mpampianatra Sekoly Alahady ao amin'ny kilasy faha-9 no nanao ny dimy minitra ho an'ny ankizy. Tsy tantara no nataony fa nampitadidy Tenin'ny Soratra Masina dia ny ao amin'ny Mpitoriteny 4:17 "Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra hianao, fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'izy ireny ho manao ratsy izy." Isika rankizy raha ho aty am-piangonana dia hivavaka sy hihaino ny Tenin'Andriamanitra no tsara ataontsika. Fa ny ratsy kosa dia fanateran'ny adala fanatitra, izay tsy mahalala ny ataony. Adala isika raha mitabataba na tsy mihaino ao am-piangonana.
ALAHADIN'NY FIRAISAN'NY SAMPANA "Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho" Jaona 21:17b
Niavaka ny fotoana androany satria natokan’ny fiangonana ho alahadin’ny firaisan’ny sampana. Araka izany, solontena avy amin’ny sampana no nifarimbona nandavorary ny litorjia manontolo. Naneho ny fiombonana masina ny sampana velona sy miasa eo anivon’ny fiangonana tamin’ny alalan’ny fiaraha-mipetraka sy fanaovana fanamiana. Niarahan’izy ir Ny tohiny...
ALAHADY 15 JANOARY 2011
ALAHADY FAHATELO "Mahalala ny zavatra rehetra ny Tompo"
"Mahalala ny zavatra rehetra ny Tompo". Ny bokin'i Jeremia 12 : 1-3, Jaona 4 : 16-30 ary ny Apokalipsy 2 : 18-29 no perikopa nentina nanazava izany lohahevitra banjinin'ny FJKM mandritra ity volana Janoary ity izany. Ny mpitandrina miana-draharaha Rakotozanany Norosoa Miantra no nitarika ny fotoana sy nitondra ny hafatra tamin'ity Alahady ity. Ny niandraikitra ny tantara ho an'ny ankziy dia Rtoa Rajaofetra Ba Ny tohiny...
VATSIM-PANAHY
(Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina)
Perikopa: Sal.139/1-6 ; Lio.2/25-35 ; Gal.4/1-11
Lohahevitra: Mahalala ny zavatra rehetra ny Tompo
Tsy misy fetra ny toetran’Andriamanitra ary mampiavaka Azy amin’izay nohariany izany. Ireo toetra sarotra takarina amin’ny sain’olombelona momba an’Andriamanitra, no maneho fa Andriamanitra dia mahaleotena, tsy miankina amin’ny fotoana na ny toerana na ny fiovana aterak’izany. Ao anatin’ny filazana ity toetran’Andriamanitra ity no isehoany hoe Andriamanitra dia hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay (omniprésent) - Andriamanitra no Tompon’ny fanapahana rehetra hatrany an-danitra sy ety ambonin’ny tany (omnipotent) - Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita (omniscient). Ity toetra fahatelo ity no voafaritra itaizana ny Fiangonana mandritra izao volana janoary taona 2012 izao. Ny perikopa noraisina itondrana ny vatsim-panahy amin’izany dia milaza fa:
- Fantatr’Andriamanitra ny olona tsirairay;
- Fantatr’Andriamanitra ny firenena iray manontolo;
- Fantatr’Andriamanitra ny zavatra rehetra hiseho eto amin’ity izao tontolo izao ity.
1- Fantatr’Andriamanitra ny olona tsirairay
Hita mazava izany ao amin’ny Salamo nataon’i Davida (Sal.139/1-6) milaza fa mahalala ny zavatra rehetra sady manerana izao rehetra izao Andriamanitra. Ny tenany no nentiny nanaporofoana izany. Ambarany fa Andriamanitra dia mandinika ny olona tsirairay ka mahalala azy tanteraka:
a- Ny toetrany: na mitsangana na mipetraka; na mandry na mifoha.
b- Ny heviny: na izay eritreretiny na izay visavisainy; na akaiky na lavitra.
c- Eo akaiky mandrakariva Andriamanitra: mihodidina azy sy mitana ny tanany.
Tonga fahalalana mahagaga sy avo tokoa izany, ka tsy takatry ny saina amin’ny maha-olona.
Azonao atao ny manafatra ny Gazety amin'i
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir