| ALAHADY 13 MEY 2012
ALAHADIN'NY SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA
" Mandefitra ny Marina "
“ Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany..”“
Salamo 25:8-15
"Ity Alahady ity dia Alahady faha-5 manaraka ny Paska ary fotoana mbola hibanjinantsika ny lohahevitra hoe: “MANDEFITRA NY MARINA” .Ny fotoana androany ihany koa dia ivom-bokatry ny sampana lehilahy kristiana, natao indrindra hiarahana miombom-bavaka amin’ny sampana sy ho fisaorana an’Andriamanitra tamin’ireo asa izay tontosa teo anivon’izany sampana SLK izany.
Ny fanompoam-pivavahana dia notarian’ireo birao ao amin’ny SLK ka ny filoha Rasolonjanahary Fidy no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Andriamatoa Rajaofetra John kosa no nanatontosa ny 5 minitra ho an’ny ankizy ka noresahany manokana tamin’izany ny momba ny LAKOLOSY na ny famoamandry. Nambara ary fa ny lakolosy dia natao ho henon’ny olona rehetra, natao ho fanairana, natao ho fankalazana an’Andriamanitra;
Ny nanao ny tatitry ny Sampana dia Atoa Roland Ratavilahy. Ny nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina dia Atoa Randriamahefa Thierry.Atoa Ndimby Rajaonarison no namaky ny testamenta taloha izay notohizan’i Atoa Randriamaholison Jules tamin’ny famakiana ny testamenta vaovao sy ny epistily.Ny perikopa voalahatra hovakiana dia : Ny Salamo 25 : 8 –15, Matio 5: 38-42 ary ny I Pet 2: 18 - 25. Atoa RAJAOFETRA John sy RAJAOFETRA Philippe no nitendry ny orga .
Ny Mpitandrina RAZARASOA Silasy no nitory ny tenin’Andriamanitra ka ny Salamo faha 25: 8 – 15 no noraisiny hitondrana ny hafatra tamin’izany. Azonao henoina ato izany toriteny izany.
 |
 |
 |
| Ny filoha Rasolonjanahary Fidy no nitarika ny fotoana |
Atoa Rajaofetra John no nanatontonsa ny dimy minitra ho an'ny ankizy |
Ireo Sampana Lehilahy Kristiana
|
| ALAHADY 06 MEY 2012
ALAHADY FANDRAISANA
FANOKANANA SY FANDRAISAN-TANANA DIAKONA
"Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana" Romana 13 and. 10
Ny tohiny... |
ALAHADY 29 APRILY 2012
ALAHADY IVOM-BOKATRY NY STK Zokiny
“Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo” LIO 12 : 35
55 taona ny Sampana Tanora Kristianina Zokiny ka nankalaza an’ Andriamanitra izy ireo androany tamin’ny alalan’ny fanolorana sy fanehoana ny fiangonana ny lakolosy elektrônika, izay tsangambato hanamarihana ny ivon’ ny herinandrom-bokatr‘ izy ireo. Notolorana mari-pankasitrahana sy noraisin-tanana ireo tompon’ andraikitra nifandimby teo anivon’ny fikambanana 55 nandritra Ny tohiny... |
|
|
VATSIM-PANAHY
(Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina)
Perikopa:- Zak.13/7-9 ; Mar.14/26-31 ; Heb.12/14-17
« MAMPIHAVANA NY MARINA NY TOMPO
Alina dia alina tamin’i Jesoa ny andro raha mamaky ny Mar.14/26-31 isika; nefa tazany sahady ny andro vaovao efa miandoha. Toky àry no omeny ny mpianany. Hihahaka vetivety ny ondry noho ny famelezana ny Mpiandry nefa hivory indray izy ireo rehefa miseho hialoha azy ilay Mpiandry. Hiverina ho any Galilia fonenany izy ireo, resy, mamoy fo, afa-baraka; nefa mialoha azy any indray ny Tompo, Mpandresy, marisika, manan-kery. Tena miankina amin’ny mpiandry ondry ny fiainan’ny ondry. Miankina amin’ny Tompo tompoina sy arahina ary inoana ny fiainan’ny mpianany sy ny mpanara-dia ary mpino Azy.
1- Mihahaka ny ondry rehefa tsy eo ny mpiandry
Taona fahatelo niarahan’ny mpianatra tamin’i Jesoa Kristy izao vanim-potoana voasoratr’i Marka izao. Mpianatra efa nahazo tsirony tamin’ny fampianarana,...
| |
|
|
|
|
|

|